Psalms 75

Ny fahakaikin’ ny Mpitsara, sy ny kapoaky ny fahatezerany

Ho an’ ny mpiventy hira. Al-tasheth. Salamo nataon’ i Asafa. Tonon-kira.

1

2Hisaoranay Hianao, Andriamanitra ô; eny, hisaoranay Hianao; fa akaiky ny anaranao; mitory ny fahagagana ataonao ny olona. 3Fa ho avy tokoa amin’ ny fotoana Aho; eny, Izaho no hitsara marina. 4Mihorohoro ny tany sy ny mponina rehetra eo aminy, nefa Izaho no nanorina ny andriny. [Sela.] 5Hoy izaho tamin’ ny mpirehareha: aza mirehareha
Na: Hoy izaho tamin’ ny adala: Aza manao adala.
, ary tamin’ ny ratsy fanahy: aza manandra-tandroka;
6Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka. 7Fa tsy avy any atsinanana, na avy any andrefana, na avy any atsimo, ny fisandratana
Na: Na avy amin’ ny efitra ny tendrombohitra no ihavian’ ny fitsarana.
.
8Fa Andriamanitra no Mpitsara; mampietry ny anankiray Izy ary manandratra ny anankiray kosa. 9Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra
Na: mena.
miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.
10Fa izaho hanambara izany mandrakizay, ka hankalaza an’ Andriamanitr’ i Jakoba. 11Ary ny tandroky ny ratsy fanahy rehetra hotapahiko; fa ny tandroky ny marina kosa no hasandratra.
Copyright information for Mg1865